Mois : juillet 2025

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 5t/ha ny voka-bary azon’ny tantsaha nampihatra ny teknika Papriz. Nampidi-bola 300 000 Ar ny velaran-tany 10 ara, raha 80 000 Ar ho an’ireo nampihatra ny fambolena nentin-drazana. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny CFFAMMA sy ny Fofifa. Miisa 153 ny teknisianin’ny minisitera Minae nahazo fiofanana hampiofana ho an’ny tantsaha 3 966. Atao any […]

Tetikasa Kopakelatra : Aina vaovao ho an’ny tavoahangy plastika

Manana ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny so­sialy ny orinasa Star, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena sy indostrialy azy. Napetra­ka ny tetikasa Kopakelatra mi­fantoka amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Angonina ny tavoahangy plastika efa ni­asa, tsy anavahana marika, avadika ho vokatra vaovao azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro. Mi­isa 133 […]

Jirama : Mitohy ny dinika amin’ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, omaly, mahakasika ny raharaha Jirama. Nanatanteraka izany, andaniny, ny solontena avy amin’ny fanjakana, nahitana ny ao amin’ny Holafitry ny prezidansa (ny talen’ny Kabi­netra sy ny Sekretera jeneraly), ny avy amin’ny minisitera voakasika, minisiteran’ny Fitsarana (Minjus), ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tahirimbolam-panjakana, ny […]

Taolagnaro-Vangaindrano: Ho vita tanteraka amin’ny 2027 ny lalam-pirenena, RN12A

Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Misy koa ny fanamboarana tetezana hanoloana ny baka fiampitana. Anisan’ny fotodrafitrasa goavana hatao koa ny fampifandraisana mi­van­ta­na an’i Taolagnaro sy i Van­gaindrano. Hatao godirao tanteraka ny lalana, izay mizara ampahany efatra, amin’ny ankapobeny, ny asa. Voaloha­ny, ny Taolagnaro-Ebakika, […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina tao Andrainjato, tamin’ity herinandro ity, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-mi­asa eo amin’ny Inscae sy ny Oniversiten’i Fianaran­tsoa. Votoatin’izany ny hitondrana fanavaozana amin’ny fampandrosoana, izay manome fiofanana manokana eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny fikirakirana kaontim-bola. Fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fikarohana sy fampianarana ihany koa, ankoatra ny fananganana tetikasa iombonana enti-mampandroso […]