Nanao sonia fiaraha-miasa ny Réseau des médias africains pour la promotion de la santé et de l’environnement (Remapsen) sy ny fikambanana Galien Africa, tany Dakar, ny herinandro lasa teo. «Haharitra roa taona ny fifanarahana ka tanjona ny hampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana amin’ny asa vokarin’ny mpanao gazety afrikanina […]
Mois : juillet 2025
Zaridaina an-tsekoly: Hampiroboroboana ny sakafo ara-pahasalamana
Nampahafantatra ny tetikasa Afrifoodlinks ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misy ny tetikasa Zaridaina an-tsekoly ho an’ireo mpisehatra amin’ny fambolena an-tanàn-dehibe sy ireo hanao sakafo ara-pahasalamana ary ny asa fampandrosoana eny amin’ny fiarahamonina. Tanjona ny hampiroborobo ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny zaridaina atao eny anivon’ny sekoly ho an’ireo sekolim-panjakana manana tokotany […]
Mpiasan’ny fahasalamana: Handraisana fepetra ireo manao toetra mamohehitra
Tena mampitaraina ny maro ny toetra ratsin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny dokotera hatramin’ny mpamafa trano. Handraisana fepetra hentitra ireo hahazoana fitarainana manomboka izao. Hentitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely, nanao fanambarana maika omaly, mahakasika ny fitsipi-pitondran-tenan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, dokotera, mpitsabo mpanampy, rasazy, infirmiera, mpiasa birao. Mandoto ny mpiasa ao amin’ny […]
Centre médical Claym : Hanao fitiliana ny hépatite B maimaimpoana
Andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina hépatite B ny 28 jolay izao. Ho fanamarihana izany, hanao fitiliana maimaimpoana izany aretina izany ny Centre médical Claym eny Alakamisy Feroarivo, amin’io andro io. Anentanan’ny tomponandraikitra ao aminy ireo olona te hisitraka izany fitiliana izany. Notsindriany manokana fa mila fitiliana ireo olona ahitana ireto […]
Hetsika vaovao – « iParticipate » : Sehatra niomerika ho an’ny tanora malagasy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny vovonana « iParticipate ». Natokana ho an’ireo tanora tia mandray andraikitra. Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Araka ny fanadihadiana natao, sehatra niomerika vaovao natokana ho an’ny fandraisan’ny tanora sy ny […]




