Hiatrika ny dingana fahatelo amin’ny «Women’s Series FIBA 3×3”, any Sumgait Azerbaïdjan, ny 26 sy 27 jolay izao, ny Ankoay, sokajy vehivavy. Hahitana an’i Hajanirina Muriel, Harisoa Christiane, Miandrasoa Koloina ary Randriatahiana Sarobidy ireo handray anjara. Ny ekipa ao Takasaki sy Grande Bretagne no iray vondrona amin’izy ireo amin’izany. Nifarana […]
Mois : juillet 2025
Fiatrehana ny “Chan 2024” : Andrasana amin’ity herinandro ity ny lisitry ny Barea
Afaka 10 andro, hiatrika ny “Chan 2024”, izay hotontosaina any Tanzanie, Kenya ary Ouganda, ny 2-30 aogositra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Malagasy mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A’. Nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) […]
Tournoi Inter-associatif : Nomena sehatra ny tovovavy
Notanterahina teny amin’ny Kianja Mandriamena, ny sabotsy lasa teo, ny famaranana ny baolina kitra «Tournoi Inter-associatif», nokarakarain’ny tetikasa Sandratra. Niavaka ny tamin’ity andiany fahadimy ity satria nomena sehatra ny tovovavy. 12 ireo fikambanana mitaiza sy manabe ireo ankizy tsy misy mpiahy nandray anjara. Nahitana ekipa 54 tamin’ny sokajy Poussin, Benjamin, […]
« Gymnastique rythmique » : Tanjon-dRakotonirina Tiara ny hanao lalao olympika
Mandalo eto Madagasikara mifampizara traikefa amin’ireo ankizy sy tanora misehatra amin’ny taranja « gymnastique », ny atleta, Malagasy, Rakotonirina Tiara. Manana tanjona lavitra izy. Ny hanao lalao olympika no tanjon-dRakotonirina Tiara amin’ny «gymnastique rythmique», taranja iangaliany, raha ny nambarany. Avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany natao tany Bulgarie farany teo izy […]
TARATRY ny KANTO
Nalana tamin’i Lovatsara K. indray ny loka “mpamorona mendrika indrindra”, nandritra ny hetsika “Tana Design Week”. Nisy ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara, omaly, fa dika mitovy tamin’ny sanganasana mpamoron-damaody vahiny, Mitchelle Amadi, no nentin’i Lovatsara K. nifaninanana sy naranty teny Andafiavaratra, ny 12 hatramin’ny 18 jolay teo. Faran’izay fady ho […]




