Mitodika any amin’ny fampiasana angovo madio ny orinasa Startimes. Manana tolotra ho an’ny mpanjifa, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro matanjaka ny orinasa. Fitaovana miaraka H50, ahitana bateria manana tanjaka 5 kiloampères, takelaka misintona ny herin’ny masoandro miisa efatra manana tanjaka 550W, ary vata mpanova herinaratra 5 kW. Nambaran’ny tomponandraikitry […]
Mois : août 2025
Filoha Rajoelina: Hamafisina ny fiaraha-midinika sy fiaraha-miasa
Navoitran’ny filoha Rajoelina Andry ny hanamafisana ny indostria sy ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny angovo. Miainga eto Madagasikara izany, arahin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona Sadc. «Hampifandraisin’ny lanitra ny kaontinanta afrikanina. Manome sakafo antsika ny tany, ary mampifandray antsika ny ranomasina. Ireo no nahatonga ny lohahevitra hifantohako mandritra ny fe-potoam-piasana […]
Fisokafan’ny teleferika : Nihoatra ny 5 000 ireo mpandeha ny sabotsy teo
Fotoana nisokafan’ny teleferika ho an’ny daholobe ny asabotsy teo. Nihoatra ny 5 000 sahady ireo olona nitaingina izany, tamin’io andro voalohany io. Vao maraim-be, ny sabotsy sy alahady, efa lavabe ny filaharana teny Anosy fa handeha teleferika. Nahitana sokajin-taona rehetra ireo liana tamin’ity zava-baovao ity. Na ankizy, na tanora, na […]
INDRAY MIJERY
Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana bakalorea any amin’ny faritra. Efa nivaly izany ho an’ny ao Fianarantsoa. Toraka izany koa ny any Antsiranana. Tsy nisy mpiadina afaka mihitsy na dia iray aza ho an’ny sokajy C tao Antsiranana. Miandry fatratra ny voka-panadinana kosa ny eto Antananarivo. Olona 446 no tonga nanao fizaham-pahasalamana […]
Cafpa Andranovaky Mahitsy: Manofana tanora matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana
Isarihana ny sain’ny tanora ny ifotorany amin’ny fambolena sy fiompiana hampahaleo tena ara-tsakafo an’i Madagasikara. Antom-pisian’ny Cafpa Andranovaky Mahitsy izany hamolavolana tanora ho matihanina amin’ny sehatra ambanivohitra. Hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fanadinana fifaninanana hidirana ao amin’ny foibem-piofanana arakasa momba ny fambolena (Cafpa) etsy Andranovaky Mahitsy. Tanora avy eto amin’ny […]




