Nahazoana akony tsara ny «Festival Tongolobe» tao Mampikony. Nahoraka ny tanàna ny faran’ny herinandro teo, indrindra nandritra ny andiam-pampisehoana, ny alin’ny sabotsy sy ny alahady teo, tao amin’ny Kianjabe. Nifandimby tamin’izany ry Lico Kininike, Mad Max, Lewapy, Dadi Love ary i Din Rotsaka. Irariana ho tsaratsara kokoa ny andiany manaraka […]
Mois : août 2025
« Fest’Iray »: Naneho ny kolontsaina ao Vakinankaratra
« Festival de l’écologie ». Hetsika iray nanandratra ny karazan-javakanto sy kolontsaina ao amin’ny faritra Vakinankaratra ihany koa ny « Fest’Iray », izay nifarana omaly. Fiaraha-mientana, nanaovana haitaky ho an’ny tontolo iainana, rariny ara-toetr’andro ary ny zon’olombelona ny hetsika. Nifarimbona nampiaraka talenta ireo mpanakanto maro nivoy ny lohahevitra nandritra izany. Teo ireo mpanao mozika, […]
Mahajanga : Tafaverina amin’ny lazany ny « Star Tour »
5 taona no tsy nisy ny hetsika. Avy hatrany dia fahombiazana noho ny taloha kosa ny fiverenany, raha notarafina tamin’ny 3 andro an-danonana sy fialamboly teto Mahajanga. Fahombiazana raha tarafina amin’ny isan’ny mpanatrika. Rakotra olona manomboka eo amin’ny sehatra lehibe manoloana ny Chambre de commerce, hatreny amin’ny baobab lehibe, manamarika […]
Fandraharahana: Niditra ao anatin’ny Sim ny Ravinala Airports
Niditra ho mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenea Antananarivo sy Nosy Be. Nanatanterahina izany ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny fomba fiasa na deontolojia sy ny nahazoany ny mari-pamantarana, label «Malagasy ny Antsika». Midika ireo fa tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-toekarena […]
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina anio, eny amin’ny PK0 Ambodifasina, ny lanonam-panokafana ny ampahany voalohany (Ambodifasina-Ambohimanga) amin’ny arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Hitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, hotronin’ ireo mpitondra fanjakana mpikambana ao anatin’ny vondrona Sadc. Mitentina 97 tapitrisa dolara ny renivolan’ny Tahirimbola Decim, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tetikasa entina hanafainganana […]




