Mois : août 2025

TSELATRA

Mamita sazy any am-ponja ny tompon-trano ka nalain’ny olon-dratsy roa lahy ny entana sarobidy, tao Marotandrano, kaominina Mandritsara, ny zoma 15 ao­gositra teo. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ny olon-dratsy ka voasambotra. Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nanangana zana-tobim-paritra iray ao Ambatofotsikely ny zandarimaria ao Ankazomiriotra. Hanampy ny fokonolona eny […]

Fanimbana fananana iombonana: Mpangalatra jiro tratra tetsy Anosy

Nentina eny anivon’ny kao­misaria Central Tsaralalà­na ny lehilahy mpanimba fa­na­nana iombonana tratra te­tsy Anosy, omaly maraina ta­min’ny 3 ora sy 45 minitra. Mi­andry maizimaizina sy tsy misy mpandalo, nasesin’io tsy valahara io nalaina ny jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soan­dro manazava ny lalana ma­no­didina ny farihin’Ano­sy. Mi­hanika ny andrin-jiro izy ary […]

Ambodin’Isotry: Ramatoa tratra nanendaka

Miandahy miambavy ny fanaovana asa ratsy, indrindra eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Vehivavy 50 taona nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 teny Ambodin’Isotry, ny zoma 15 aogositra teo. Maro olona mifamezivezy, hanjakan’ny tontakely toy ny mpanao sinto-mahery sy mpanataka poketra amin’ny lame, iny toerana iny. Niharan’izany ny vehivavy iray ka lasan’ireo […]

Lozam-pifamoivoizana: Olona fito namoy ny ainy

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa fito namoy ny ainy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny tetezana Ihazomay, fokontany Fanjakamandroso, kaominina ambanivohitra Ankadinondry Sakay, ny zoma tamin’ny 10 ora alina lasa teo. Nikasa hi­songona kamiao tao anaty fiakarana ny fiara sprinter iray manao zotra […]