Tapitra omaly, taorian’ny faharesena nanoloana ny ekipan’ny Tonizia, ny lalan’ny Ankoay, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, “Afrobasket”, sokajy lehilahy, tanterahina any Angola. Isa 81 no ho 60 no nandavoan’i Tonizia azy ireo ka nampijanona hatreo ny nofinofy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy. Mbola nifandanja ary tao anaty herijika tanteraka anefa […]
Mois : août 2025
« Mondial 2026 »: Hatao any Maroc ny lalaon’ny Barea
Noho ny tsy mbola fahazoan’ny Kianjaben’i Mahamasina fankatoavana avy amin’ny kaonfederasionina afrikanina (Caf) sy ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), voatery hatao ivelan’i Madagasikara indray ny lalaon’ny Barea A. Fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026», ho an’ny vondrona I. Araka izany, navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambanjotrantseraserany, ny sabotsy […]
DAKA AN-JORONY: Arahabaina toa olo-mahery
Nanakoako indray ny anaran’i Madagasikara nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tsy teto Afrika ihany izany laza izany fa maneran-tany, noho ilay fandresena azon’ny Barea ka hiakarany amin’ny dingana manaraka. Koa arahabaina toa olo-mahery ê! Mivoaka maro mpitazana, mandeha maro mpanaraka, miady maro mpanohana, miasa maro mpanampy. Tsy nijery izay mpanenjika […]
Baolina kitra – “CHAN 2025”: Tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Barea
Manohy ny diany hatrany ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Nandresy an’i Burkina Faso, teo amin’ny andro farany, ary tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny Barea. Toy ny tamin’ny taona 2023, tafakatra amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho […]
Judo Club Esca : Politika vaovao ny fandefasana ny atleta amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena
Judo Club Esca, hita eny amin’ny Esca Antanimena. Miezaka mamolavola sy mampitombo ny traikefan’ny mpikatroka ao aminy. Politika vaovao hitan’ny mpitantana fa hahafahana mampiakatra ny lenta ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohany. Klioba matanjaka sy lohalaharana eto Analamanga ny Judo Club Esca. Niforona ny taona 1960 izy ireo, […]




