Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io. Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy […]
Mois : août 2025
Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao
Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]
Baolina kitra – “CHAN 2025” : Mila mandresy an’i Burkina Faso ny Barea, anio
Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro […]
Fitateram-bahoaka: Hiasa ny teleferika, 3 000 Ar ny saran-dalana
Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity. Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voalaza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny […]
Antananarivo : 30% ny trano miorina ihany no manana lavapiringa
Mbola maro ny olona tsy manana toeram-pivoahana na eto an-dRenivohitra na any ambanivohitra. Anisan’ny miteraka olana ara-pahasalamana sy disadisam-piarahamonina ny fanariana maloto eny an-dalana sy eny amin’ny lakandrano. Manodidina ny 28-30 % ireo trano miorina eto Antananarivo ihany no manana toeram-pivoahana na lavapiringa ara-dalàna sy manaraka ny fenitra araka ny […]




