Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra teny amin’ny Amphi Ankatso, ny 14 aogositra teo, ny Pr Razafinjara Lala, teknisianin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae). Notanisainy ny ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny famokarana sy fanapariahana ny masomboly voamarina sy ny fanohanana ara-teknika ny tantsaha. Nakana santionany karazana zana-trondro “Saro” (Sarotheron SP) ny kaominina Manandrano, distrika Taolagnaro, […]
Mois : août 2025
Ambioka Mada: Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny masomboly voafantina
Misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana masomboly voafantina ary zezika biolojika ny Ambioka Mada avy any amin’ny faritra Itasy. Mampiavaka azy ny tsy fampiasana akora simika, matanjaka sady mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro. Maro karazana ny vokatra, arakaraka ny toe-tany. Manomboka amin’ny 4 000 Ar ny ivarotana azy ireny. Anisan’izany ireo karazam-bary izay […]
Sehatry ny angovo: Natsangana ny vovonana
Natao tany Toliara, ny 5 sy 6 aogositra teo, ny atrikasa fampahafantarana ny Politika nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrahoan-tsakafo amin’ny alalan’ny angovo madio (PNDCPM). Mifarimbona manatanteraka azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Pnud ary ny kabinetra Sapphyre R&D. Efa maro ny mpisehatra amin’ny famokarana angovo madio amin’ny […]
“Bazar de la Sadc” : Misongadina ny vita malagasy
Maro ny hetsika mialoha ny Fihaonambe an-tampony andiany faha-45 ny Sadc. Anisan’izany ny « Bazar de la Sadc », eny amin’ny foibe Enirace, Lac Iarivo. Nosantarin’ny filoha Rajoelina Andry, afakomaly, ny hetsika « Bazar de la Sadc ». Miisa 200 ny tranoheva eny an-toerana, ahitana mpandray anjara maherin’ny 300 isa. Hita eny ny vokatra […]
Raharaha Ambohimalaza : Mbola any am-ponja i Fenohasina
Nanao fanambarana, omaly, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, indrindra ny fitantanana ny fonja, fa mbola tazomina eny amin’ny fonjaben’i Manjakandriana i Fenohasina. “Olona dimy mirahavavy mianaka no voasambotra sy nalefa eny am-ponja any amin’ny toerana samihafa mba hanamora ny fanadihadiana”, hoy i Volazara Sakina Mohamady, Tale jeneralin’ny Fitantanana ny […]




