Nodimandry tampoka, ny sabotsy maraina teo, ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky Niaina. Nambaran’ny vadiny fa salama tsara ity ben’ny Tanàna ity, nialoha izany. Mametraka ny ahiahiny amin’ny mety ho fisian’ny fanapoizinana ny fianakaviana, raha ny fanazavany hatrany ary hitady ny marina momba izany. Anisan’ireo tonga nidodododo teny amin’ny […]
Mois : août 2025
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hanova ny fitaterana eto Antananarivo ny teleferika”
Tsotra ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, amin’ny fitaterana teleferika. “Reharehako sy reharehantsika ny mitaingina sy mahita ity fitaovam-pitaterana ity, na inona inona havalianareo ahy. Manova tanteraka ny sehatry ny fitaterana eto an-dRenivohitra ny teleferika”, hoy izy, tamin’ny fisantarana amin’ny fandehanana amin’ […]
Hafa ny taloha
Arahaba soa, arahaba tsara… Tanteraka soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Tsy nampitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra… Iza, hono, rey olona, no mahazo izany eo imason’izao tontolo izao. I Madagasikara manontolo sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, fa tsy ny mpitondra ihany. Tonga amin’izany ve ny fivelaran-tsain’ ny […]
Filoha Rajoelina Andry : Nandray ny fahefana maha filohan’ny Sadc
Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madagasikara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny […]
Zaikaben’ny tanora afrikanina : Ho fanoitran’ny fampandrosoana
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, […]




