Lehilahy 28 taona hita faty tao amin’ny fokontany Fenomanana, kaominina Faravohitra, distrika Faratsiho, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io faty io. Niantso ny tomponandraikitra avy hatrany ny fokonolona. Lehilahy mpisoloky milaza ho mahatafavoaka olona hiasa any Maorisy voasambotry ny polisy tao Antalaha, ny 12 aogositra teo. Nangalany lelavola 5 tapitrisa […]
Mois : août 2025
Tsindron’antsy nahafatesan’olona : Nalefa eny Antanimora ilay lehilahy nahavanon-doza
Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha mahakasika ireo roa lahy nifanindrona antsy tetsy Ambohinosy Antanety II, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, ny 9 aogositra lasa teo. Mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy nahavanon-doza, izay nahavita namono nahafaty ny namany tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. […]
Fandrobana eny amin’ny RN2: Olona valo voasambotra
Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 aogositra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy […]
“Raharaha Ambohimalaza” : Horaisina an-tanana ny havan’ny maty
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany. Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana. Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny […]




