Tafaverina an-tanindrazana, omaly, ny ampahany faharoa tamin’ny delegasionina malagasy, niatrika ny lalaon’ny CJSOI 2025, izay notanterahina ny 1 hatramin’ny10 aogositra lasa teo, tany Seychelles. Nandray azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Nasongadiny tao anatin’ny lahateny fohy nataony, ny fankasitrahana […]
Mois : août 2025
INDRAY MIJERY
Tanterahina any Taolagnaro, manomboka anio hatramin’ny 20 aogositra izao, ny synaoda lehiben’ny FJKM. Nitsidika amin’ny fomba fifanajana ny governoran’ny faritra Anôsy, Voahary Rakotovelomanantsoa, ny filohan’ny FJKM sy ireo delegasionina miara-miasa aminy. Naneho ny hatezerany ny Seces nasionaly taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’ny tomponandraiki-panjakana ambony iray nanivaiva ny lentan’ny profesora malagasy. Fanimbana sy […]
Conseil international des infirmières : Mpikambana faha-141 ny Conim Madagasikara
Niditra ho mpikambana faha-141 eo anivon’ny Filankevitra iraisam-pirenen’ny infirmier (Conseil international des infirmières- CII) ny filankevitry ny holafitra nasionalin’ny infirmier eto Madagasikara (Conim). Fanambarana ofisialy nataon’ny CII io, tamin’ny alalan’ny filohany, José Luis Cobos Serrano. Ivondronan’ ny fikambanana infirmier lahy sy vavy maneran-tany ny CII. Izy ireo izay manana tarigetra […]
Faritra Boeny: Velom-panantenana ny vehivavy
Mitohy any amin’ny faritra Boeny ny fanohanana ny fikambanam-behivavy izay tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Nomena tantsoroka ara-bola mitentina 23 800 000 Ar ireo fikambanam-behivavy miisa 12 naneho fahavononana hanangana tetikasa mitondra amin’ny fizakan-tena ara-pivelomana. Mifototra amin’ny asa tanana, toy ny zaitra sy rary, ny fahaizana mahandro ary fanodinana voankazo ny tetikasa […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora : Niresahana momba ny fandraharahana sy ny fahasalamana
Handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny tanora (CIJ) faha-12 any New York ny delegasionina malagasy miaraka amin’ny minisitra mpiahy sy ny solontenan’ny faritany enina. «Ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao izy ireo no hanatrika izany fivoriana lehibe izany », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, […]




