Mois : août 2025

“Chan 2025”: Mila mandresy ny Barea

Ho fantatra anio ny ho tohin’ny lalan’ny Barea de Mada­gas­car, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2025”. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, tanterahina atsy Tanzanie. Hifan­dona amin’i Centrafrique ny Barea, anio folakandro, eo amin’ ny andro fahatelo ho an’ny sokajy “B”. Fihaonana hatao […]

“Afrobasket 2025”: Hifandona voalohany amin’ny Ankoay i Nizeria

Nanomboka omaly, any Angola, ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy. Anio no hiakatra an-kianja ny Mala­gasy. Hi­fan­dona voalohany amin’ny An­koay, lehilahy, ny ekipan’i Nizeria, ao anatin’ny fifaninanana sokajy Seniors, araka ny fandaharan-dalao. Ny ekipan’i Kameronina kosa ny miandry azy ireo amin’ny zoma 15 aogositra ary ny ekipan’i […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy hatrany ny hetsika manodidina ny jazz. Taorian’ny « Jazz@Tohatohabato », manome fotoana ireo mpakafy izany eny amin’ny Craam, Oniversiten’ Ankatso indray, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny mpikarakara. Ny tarika Simy Nuée, ivondronan’ireo tanora hoavin’ny jazz eto Madagasikara, ampian’i Vazo Lee, zanak’i Silo izay efa manara-dia azy eo […]

Fifaninanana saripika : Hasongadina ny maha olona

Nikatona omaly ny fahafaha-mandray anjara amin’ilay fifaninanana saripika mahakasika ny maha olona. Hiditra amin’ny fisafidianana ireo ma­haresy lahatra azy ny mpitsara, manomboka anio hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Maro ireo mpaka sary liana tamin’ny fifaninanana, ary tsapa fa ny hanasongadina kokoa ny lohahevitra no nimasoan’izy ireo, na dia eo […]

Fialantsasatra : Miverina kely ny lalao malagasy

Misento tokana ireo raiamandreny… Mahafaly sy mahavelombolo mantsy ny mahita ireo hetsika isan-karazany, mamelona sy manome aina ary mampita amin’ny ankizy indray ireo lalao malagasy. Fotoam-pialantsasatra ho an’ny ankamaroan’ ny mpianatra izao, ka manam-potoana hahafantarana, hianarana ary hitiavana ireny karazan-dalao ireny izy ireo. Manana ny fandaharam-potoanany manome sehatra izany ireo […]