Ankilizahikely vao herintaona monja namoy ny ainy teo am-panaovana ny famorana azy tany Salazamay Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Sempotra io zaza io vao nampidirina ny tsindrona « anesthesie » mialoha ny hamorana azy, raha ny fanazavana voaray. Nifamonjena ary nentina haingana tany amin’ny Hopitaly Be Toamasina, saingy tsy tana ny ainy. […]
Mois : août 2025
Anosibe : Tratra namaky trano i Fetra
Voasambotry ny polisy teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray 24 taona, tao Anosibe, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, nanao asa fisafoana teny amin’iny faritra iny ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-pangalarana entan’olona i Fetra izay tovolahy vao erotrerony. Nosakanan’ny polisy izy. Nosamborina ka nentina natao famotorana eny anivon’ny […]
Olana ara-teknika : Vehivavy iray namoy ny ainy, 20 hafa naratra
Olona manodidina ny 20 mahery naratra vokatry ny fivadihan’ny karandalana iray tany amin’ny fokontany Ankaroka, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy tamin’izany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tao amin’ny fokontany Ankaroka, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, faritra Anosy, omaly tamin’ny 07 ora sy 20 minitra maraina. Nitrangana olana tampoka ny fiara […]




