Mois : août 2025

Lalaon’ny CJSOI: Nahazo medaly 15 sahady i Madagasikara

Nirarakompana ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ny andro fahatelon’ny « CJSOI », tanterahina atsy Seychelles. Nisongadina ny Mala­gasy atleta mpimbata fonjamby. Nahazo vokatra tsara ihany koa ny Barea sy ny Ankoay. Telo andro izay no vita, nandrombaka medaly 15 sahady, volamena 9 sy volafotsy 6, i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ho an’ny tanora aty […]

Fianarana Teolojia : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao

Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Ambatonakanga, ny fotoam-pivavahana nanokafana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny sekoly ambony momba ny teolojia sy ny hay fivavahana (Esther). “Antoky ny firenena tsara tantana sy ny fierenandoha ara-toekarena eto Madagasikara ny fianarana ny teolojia”, hoy Randriamampionona Alfred, talen’ny ivontoeram-pampianarana. “Manampy amin’ny famolavolana ny olom-pirenena ho […]

Rajoelina Mialy : Nivoaka tamin’ny fahanginana!

Nampiaka-peo ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina R.Mialy, afakomaly. Tsy tokony hampidirina amin’izay raharaha tsy mahakasika azy ireo ny zanany. Manameloka ireo mpanely vaovao diso izy. Tsy mba fanaony! Ni­voaka tamin’ny fahanginana ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, tamin’ny sabotsy lasa teo. Namaly ireo mpikirakira tambajotran-tserasera izy, manoloana ny filazana mahakasika ny […]