Mois : août 2025

TARATRY ny KANTO

« Oscars-Academy Awards ». Nahazo fankatoavana ary efa am-perinasa ny kaomity misahana ny fifantenana ireo horonantsary hisolotena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Mbola manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny Ivon’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara na ISSM, mba handefa ireo vokatra izay hifaninanana anatin’ny sokajy « Meilleur film international 2026 ». Voatendry […]

Fikarohan’i Miampita Iorenana: Voarakitra anaty boky ny tantaran’Imady

Nampahafantarina teny Avaratr’Antanimora ny fivoahan’ny boky “Imady : Fitiavana sy ny Tantarany”, nosoratan’i Miampita Iorenana. Namba­rany fa “tsy tokony hiandrasana vahiny ny fanaovana izany. Isika miaina azy sy mahita ary mahafantatra azy no zava-dehibe”. Nohamafisiny rahateo fa “mirakitra ny tanta­ran’Imady ity boky ity ary manabevoho ireo tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy […]

« Tena kanto » : Ho vahinin’i Poopy koa i Denise

Tsy mbola nisy nampiara-peo an-tsehatra tamin’i Poopy ireo vahininy. Mbola hiampy iray izy ireo ho fanomezana avy aminy. «Ny fandraisan’anjaran’i Denise no fanomezana ho an’ireo mpankafy. Fanome­zana ho ahy koa anefa izany », hoy ny nambaran’i Poo­py, nandritra ny fampahanfatarana ny andinindinin’ny seho hataony, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, omaly. Mahakasika […]

FANTINA sy FINTINA

Navoaka, rehefa voatazon’ny zandary tao Toliara sy niakatra fampanoavana, Rabevahiny Elia, avy amin’ny Otrikafo sy ny namany miisa 5 amin’ny fikambanana Mazoto. Hiakatra fitsarana ny 12 aogositra ny raharaha. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanoherana ny fanjakana sy ny tetikasa Base Toliara. Nanolotra ordinatera sy kojakoja ary “connexion” maimaimpoana […]

Hentitra ny fanambaran’ny OJM : “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety”

Hentitra ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny antsojay mihatra amin’ireo mpanao gazety manao ny asany. Nanterin’ny fanambarana fa mitady hahazo vahana ny herisetra amin’ny mpanao gazety. “Avelao hiasa malalaka izy ireo”, hoy ny OJM. Voatsiahy tamin’izany fa niharan’ny fandrahonana sy fikasihan-tanan’ireo andian’olona ao Benetsy, Ankilimaliniky, Toliara […]