Mitohy hatrany ny fiofanana ao amin’ny faritra Androy, ao anatin’ny “Fijery hafa”. Tanterahina miaraka amin’ny Fond d’intervention pour le développement (Fid) ny hetsika. Natao manokana ho an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana any amin’ny distrikan’Antanimora ny fiofanana ka ao anatin’izany ny kaominina Antalatanosy sy Marovato Befeno. Mifantoka amin’ny fahaiza-manao azo hampiharina sy […]
Mois : août 2025
Polytechnician Electronics Engineering Collaboration: Mampiranty voka-pikarohana miisa 20 etsy Soarano
Ao anatin’ny hetsika karakarain’ny mpianatra elektronika “electro-week” mandritra ny herinandro ny hairanty momba ny elektronika andiany fahasivy eny amin’ny ODC Madagascar, mandritra ny roa andro. Voka-pikarohana 20 no hisafidianan’ny mpitsidika ka ny telo mahazo isa betsaka no hahazo ny loka. Hetsika fanaon’ny fikambanan’ny mpianatra, isan-taona, eny amin’ny sekoly ambony politeknika […]
Fandraisana marary: Naneho fahavononana ny hitondra fiovana ireo talen’ny hopitaly
Efa tena tsy fidiny vao mankeny amin’ny hopitaly ny marary kanefa tonga eny, mbola maro koa ny zavatra miandry sy ny tsy fahatomombanana. Malaza ratsy ny fandraisan’olona eny amin’ny hopitaly ary tena mampikolay ireo marary sy ny fianakaviana. Mitondra fanazavana ny tomponandraikitra ary vonona ny hitondra fanarenana. Mampitaraina ny olona […]
TARATRY ny KANTO
Sehatra Bagasy (SBG) volana aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanatrehan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny « SBG » ny rindran-kira tsiahy ho an’ireo raiamandreny nanorina ny tarika Dinarson Karoka. Hetsika hotanterahina eny amin’ny Akany FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina, ny alahady 31 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. […]
Fampitam-pahalalana: Mila havaozina ny fanontana boky
Loharano tsy ritra. Talohan’ny taona 1980, niroborobo ny fanontana boky, satria, sehatra maro no mbola nampiasana izany. Mbola nazoto ny mpanoratra… Taona 2025, mila havaozina ny fanontana ireny boky ireny. Maro be amin’ ireo boky navoaka tany amin’ ny taona 1960 – 1975, ohatra, no mirakitra tantara fototra niainan’ny Malagasy […]




