Manan-talenta, manana ny akora fototra ary misongadina maneran-tany, i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny hainahandro. Anisan’ireo hasongadina ny sôkôla malagasy amin’ity andiany ity. Raha resaka nahandro, miavaka ny Malagasy. Voaporofo hatrany izany, na eto an-tanindrazana ka hatrany amin’ireo hetsika lehibe maneran-tany ho an’ny hainahandro. Antony iray mbola mampitoetra ny lazan’ny […]
Mois : septembre 2025
TSELATRA
Nendahin’ny olon-dratsy ny varavarankelin’ny trano iray nanaovan’izy ireo fandrobana tao amin’ny fokontany Tsarariva, fokontany Mahazoarivo, kaominina Ampefy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano ka nentin’ireo mpandroba ny entana sarobidy rehetra. Mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka voasambotry ny zandary tao Ivato, fokontany K4, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nahatrarana rongony […]
Vono olona teny Antanety : Tompon’antoka ny havan’ilay lehilahy maty
Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitrimanjaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny […]
Kodiaran-droa nifandona: Olona telo naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany. Niseho tamin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 20 + 100 Antanimenabe, kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo. Nifandona sy nifampikasoka tao anaty fiolahana ny moto scooter marika Jinglang sy ny moto routière marika Loncin iray hafa. Avy any Antananarivo hihazo […]
Antohomadinika : Lehilahy iray hita faty nisy namono tao an-tranony
Tovolahy iray 21 taona, hita faty tao an-trano fonenany, tetsy Antohomadinika III G Hangar, afakomaly atoandro tamin’ny 2 ora sy sasany. Vatana mangatsiaka efa niha simba sy namoaka fofona no novantanin’ny dadany. Nahitana mangana ny lohany, nivoaka ra ny sofiny sy ny vavany. “Avy any ambanivohitr’i Faratsiho aho ary nigadona […]




