Nipitika niala ny kodiarana alohan’ny fiarabe iray tetsy Ankadifotsy, omaly maraina. Teny am-pandehanana no nipitika tampoka izy io ka tsy afa-nihetsika ny fiara. Niteraka fitohanana lavareny teny an-toerana ny zava-nisy. Tsy nisy ny naratra, olana ara-mekanika no heverina ho antony nampitsoaka ny kodiarana. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy fikojakojana ny fiara […]
Mois : septembre 2025
Ahina ho lasan’olon-dratsy: Ankizy roa lahy karohin’ny fianakaviany
Zaza varira 7 taona antsoina hoe Fabien ny iray amin’ireo roa tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny harivan’ny alatsinainy 14 septrambra lasa teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’Ihosy. Anadahin’ny renin’io zaza io i Saka, ankizilahy 16 taona tsy hita faharoa izay mpianatry ny CEG. “Tsena aty aminay io […]
Anjanahary : Lehibena mpanendaka lavon’ny polisy
Nipoaka ny basy tetsy amin’ny Cimetière Anjanahary, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Lehilahy iray malaza amin’ny asa fanendahana no lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) manao fanamiana sivily. Tratra teo am-panendahana mpandalo ny andian-jiolahy maromaro ka nosamborina avy hatrany. Nikasa […]
Nitsahin’ny kamiao : Lehilahy tra-doza notapahina ny tongony
Tsy maintsy notapahina avy hatrany hisorohana ny mety hitaran’ny fiparitahan’ny mikraoba ny tongotry ny tovolahy 37 taona izay voahitsaka kamiao tsy nahy tao anatin’ny faritry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly. Nandriaka ny ra tao amin’ny faritra tsy lavitry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly hariva tamin’ny 5 ora sy sasany. Mpiasa an-tselika misahana […]




