Mois : septembre 2025

Synad : “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”

Nisy ny fikasana hanao hetsika an-dalambe tany Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”, hoy ny Synad. “Tsy tokony ho eny amin’ny tambajotran-tserasera no mifanazava, fa tokony hifanatona any anaty birao. Na manatona avy hatrany ireo lehibe isan’ambaratonga mifehy mivantana. Aoka tsy hoentina eny […]

Andriamanana Nivoarivony : “Tsy mampisy tamberin’andraikitra ny anto-bola be amin’ny fifidianana”

Ao anatin’ny fiatrehana fifidianana loholona izao. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), anisan’ny mpiofana amin’ny fitantanana fifidianana, karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni eny Androhibe, Andriamanana Nivoarivony: “Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy […]

TARATRY ny KANTO

Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tampoko i Dol’aj (Andriamihaja Jean Do­lis), filoha lefitry ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Anisan’ny nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny soratra ny fananana fitiavana sy finiavana hampivelatra hatrany io zavakanto sy kolontsaina io. Toetra nahalalan’ny olona maro an’i Dol’aj ny fahaizana mifandray […]

« Oktoberfest 2025 » : Hosantarina amin’ny « Star Tour Toamasina »

Oktobra, volan’ny labiera. Manamarika izany koa isika eto Madagasikara. Nampaha­fantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny andinindininy amin’ny « Okto­ber­fest 2025 ». Hisantarana izany ny « Star Tour Tamata­ve », izay hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Hatao ao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny Arena Sports, indray izany amin’ity. Toy ny mahazatra, […]

Afrima 2025 : Manohy ny lalany i Denise

Fantatra fa anisan’ireo mpanakanto tafiditra hiatrika ny tohin’ilay fifaninanana « All Africa Music Award » i Denise. Ho an’i Madagasikara, izy no mpanakanto vehivavy hiatrika izany voalohany. Raha tsiahivina, ao anatin’ny sokajy « Best Female Eastern of Africa » no misy azy. Nanomboka ny 10 septambra teo, mandray anjara amin’ny fitsarana ny olon-drehetra. Nanao […]