Teto an-toerana izy tamin’ny taon-dasa ary efa nilaza fa ho avy manokana amin’ity. Seho miavaka iarahana amin’ny tena mpankafy no hanamarihin’i Lalatiana ny 50 taona nihirany. Tsy nambarany hoe firy taona izy no nihira voalohany. Fa azo antoka aloha fa mbola kely dia kely dia efa nizatra sehatra ny vehivavy. […]
Mois : septembre 2025
vaovao tambatra
Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Alarobia, ny fanombohan’ ny hetsika « Asises » izay manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa dia i Madagasikara sy i Frantsa. Raha tsy misy ny fiovana, ho avy hanokatra izany amin’ ny fomba ofisialy eny an-toerana, ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Hotanterahina ny […]
Fadintseranana : Misy sanda manokana ho an’ny fiara sy fitaovana
Mampahatsiahy ny Fadintseranana malagasy fa misy ny fepetra manokana mifehy ny fanombanana ny sandan’ny fiarabe sy fitaovana afarana hanao asa manokana eto Madagasikara. Araka ny voalazan’ny taratasy ara-panjakana sy ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana, dia ny Sampandraharahan’ny sanda sy fiaviana na « Service de la valeur et des Origines » (SVO), […]
Mba misy vidiny!
Nampivarahontsana ny mpanara-baovao, omaly, ny lozam-pifamoivoizana iray teny Talatan’i Volonondry. Tapitr’andro tamin’ny tsy nampoizina ny raim-pianakaviana sy ny zaza vao iray taona monja. Ny renim-pianakaviana mbola voa mafimafy, miady amin’ny fahafatesana. Indray mipi-maso, folaka andry niankinana, namoy menaky ny aina. Tena mampahonena. Raha ny antony niteraka ny loza dia […]
Faritra Atsinanana : Hatomboka ny Drafi-pampandrosoana PRD 2025-2030
Anisan’ireo faritra miantoka ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny faritra Atsinanana. Efa manomboka mametraka Drafi-pampandrosoana PRD 2025-2030 ireo mpiara-miombona antoka sy ny fanjakana. Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny Drafitra fampandrosoana isam-paritra (PRD) 2025-2030, an’ny faritra Atsinanana. Hetsika izay iarahana amin’ireo mpanohana […]




