Nangidy sy navesatra tamin’ny mpitia baolina kitra ny vokatra azon’ny Barea, nandritra ny fifaninanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup), sokajy U17. Faharesena telo no azo ary nitana ny rambony tao amin’ny vondrona “B” izy ireo. “Resy lava!” Nosembanin’ny raho-maintin’ny Barea sokajy U17, ilay fifaliana mavaivay […]
Mois : septembre 2025
Kaominin’i Bemasoandro : Nahoraka ny fitsenana an-dry Feno, Manda, Antonio, Barea Chan mpilalao
Manetriketrika! Noraisina tamin’ny fomba miavaka teny amin’ny kaominina Bemasoandro ireo mpilalao telo mirahalahy, izay nandrafitra ny Barea, nitondra avo ny voninahi-pirenena, nandritra ny “Chan 2024”. Ny alahady lasa teo, nafana sady nalaza teny amin’ny kaominina Bemasoandro sy tetsy Itaosy iray manontolo ny fandraisana an’ireo mpilalao telo mirahalahy, i Manda, Fenohasina […]
VAOVAO TAMBATRA
Namoaka ravim-bola vaovao 10 000 Ar sy 20 000 Ar ny Banky foiben’i Madagasikara. Mitovy endrika amin’ny vola efa nisy ihany izy ireo saingy ny mampiavaka azy dia ahitana kofehy fiarovana vaovao. Hita ilay kofehy rehefa atongilana, izay miendrika kofehy mitapatapaka miova loko maitso sy mena. Rehefa ahetsika miakatra sy midina indray […]
“Youth Connekt Africa Summit 2025” : « Efa vonona ny handray ny hetsika i Madagasikara » hoy ny Tale Yann Gwet
Manao fitsirihana farany amin’ny fikarakaran’ny Malagasy ny fandraisana ny fivoriamben’ny tanora, «Youth Connekt Africa Summit 2025», i Yann Gwet, tale mpanatanteraka avy amin’ny Hub. Tonga teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tetsy Ambohijatovo, izy, omaly. Nandray azy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson. «Tsy mbola nisy firenena tena […]
Betafo : Nampivoatra an’i Clovis ny fiompiana omby
Tantsaha mpiompy omby any amin’ny distrika Betafo, faritra Vakinankaratra, Randrianantenaina Tiana Clovis. Nampivoatra ny fari-piainany ity fihariana ity. Satria omby iray no nanombohany. Nampitomboiny tsikelikely izany tamin’ny alalan’ny fakana taranaka, izany hoe, tsirinaina, teo anivon’ny Fifamanor. Nambarany fa somary lafo ny vidin’ny fakana taranaka, ary nisy fotoana sarotra ny fahitana […]




