Mois : septembre 2025

Milina ho an’ny foibe 105 MW-Jirama: Hanomboka amin’ny sabotsy izao ny fitaterana

Araka ny efa nambara, hanomboka amin’ny sabotsy 20 septambra ho avy izao, ny fitaterana manokana ireo milina, hampandehanana ny foibe mamokatra herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola. Hafainganina ihany koa ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa. Feno ny fepetra! Efa vita ankehitriny ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena FAHAROA, hitaterana […]

Fandehanana mafy : Moto nifandona tamin’ny Tuc-tuc

Tsy zakan’ny mpampiasa kodiaran-droa toy ny moto sy ny kodiaran-telo toy ny Tuc-tuc ny fahatsaran’ny lalana, an­ke­hitriny, ao an-drenivohitr’i Toamasina. Tia mietraketraka avokoa ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana. Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatràna mpitondra moto tamin’ny lalana vao vita ao Ankirihiry, ny alatsinainy 15 septambra, to­kony ho tamin’ny 7 ora hariva. Samy nandeha […]

Milay Contest 2025 – «Voiles »: Hotolorana vola 10 tapitrisa Ariary ny mpandresy

Hotanterahina eny amin’ny ranomasin’i Ramena, Diego, ny 4-5 oktobra 2025 ho avy izao, ny hetsika “Milay Con­test”, izay karakarain’ny Yas Madagascar sy ny Fede­ra­sionina ara-panatanjahanten’ny lakana an- dranomasina, Sport Voiles. Araka ny nambaran’ireo mpikarakara teny Ambodivona, omaly, vola mi­tentina 10 tapitrisa Ariary no hatolotra ho an’ny izay voalohany amin’ny fifanintsanana […]

Sendikan’ny acm : Mangataka olona mendrika

Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikaly (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara, ACM. Nisongadina tao anatin’ity fanambarana ity ny fangatahana amin’ny andrimpanjakana ny mba hanendrena olona madio sy mendrika hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny Tale jeneralin’ny ACM. […]

Fablab EnR-out: Toeram-panofanana hanamafisana ny tetezamita amin’ny angovo

Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny Fablab EnR-out, ivontoerana vaovao natokana hampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy hanomezana sehatra ny tanora manana tetikasa mifandraika amin’izany. Mbola olana lehibe ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. 36 % ny tokantrano eto amin’ny Nosy no manana herinaratra, 7 % ny any ambanivohitra izay onenan’ny 70 […]