Mois : septembre 2025

Sabotsy Namehana : Tsaho ny filazana fa hani-masaka nahafaty olona

Niely ka nampiteraka savorovoro ho an’ny mpanara-baovao tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook ny tranga fisiana fahapoizinana ara-tsakafo nateraky ny fihinanana hani-masaka tao Sabotsy Namehana, omaly. “Tsy marina velively ny vaovao miely momba io tranga io”, raha ny fanazavana notaterin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina ao an-toerana. Tovolahy 21 taona namoy ny ainy, […]

Fanafihana trano fandraisam-bahiny : Niampy enina indray ireo voarohirohy

Miampy enina indray ireo olona voasambotry ny polisy tamin’ny raharaha fanafihana trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ankazomanga. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle) sy ny Sag. Tratra teny Tsarahonenana ireo olona ireo, izay nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Antony nisamboran azy ireo ny fanaovana fikambanan-jiolahy. […]

Telo lahy naiditra am-ponja : Zazavavikely telo voaolana, notambazana 100 Ar

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny mpanolana miisa telo. Monina eny Mendrikolovana, Alasora, izy ireo. Ampangaina ho nanolana zazavavikely telo. Ar 100 no nanambazana ireto lasibatra. Notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Anta­nimora ireo telo lahy nanolan-jazavavy tsy ampy taona miisa telo, tao Men­drikolovana, kaominina Ala­sora, distrikan’Antana­narivo Avaradrano, omaly. Nanam­paran’ireo olona ireo ny […]