Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy. «Ny fitadiavana vahaolana ho an’ny firenena ihany izao no tokony hatao laharam-pahamehana», hoy izy Nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga, omaly, tetsy amin’ny biraony, Ambohidahy, fa tsy tokony hatao adihevitra amin’izao fotoana izao ny mety hisian’ny taom-piasana […]
Mois : septembre 2025
Fanarenana ny lalam-pirenena faharoa : “Tsy maintsy tonga any an-dRenivohitra ireo milina goavan’ny Jirama”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy
Nitsidika ny lalam-pirenena faharoa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nijery ny fizotran’ ny asa fanamboarana ny lalana sy nanome toromarika an’ireo orinasa miandraikitra ity tetikasa ity izy tamin’ izany. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy ny lalam-pirenena faharoa, manoloana ny asa fanarenana ataon’ireo orinasa nahazo ny tolobidy, ny minisitry […]
SOMBIM-BAOVAO
Ekipa lehilahy 10 sy vehivavy 9 no hifaninana mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, eo amin’ny sokajy « 1ère division ». Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao. Ny 19 septambra izao kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka. Hifarana anio […]
Karate Analamanga : Hiezaka hampiakatra ny lentan’ny mpikatroka
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Karate. Nahatonga solontena avokoa ny seksiona 8 mandrafitra ny ligy ary nahatratra 150 ny isan’ny mpandray anjara. Niakatra ny haavo teknika ho an’ity fifaninanana 2025 ity ary hiezaka hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ny […]
Tenisy “WTA 250”: Norombahin’i Tiantsoa ny amboara
Tontosa ny alahady lasa teo, tany Sao Paulo, Brésil, ny fiadiana ny “WTA 250”, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Norombahin’ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah ny amboara tamin’izany. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4), ilay indonezianina, i Janice Tjen. Vao […]




