Notanterahina omaly, tao amin’ny faritr’i Sofia, ny fampahafantarana sy ny fivoriana niarahana tamin’ireo solontenan’ny Bianco, momba ny resaka ady amin’ny kolikoly sy ny hanamafisana ny fiaraha-miasa. Iray amin’ireo fanamby lehibe indrindra eto Madagasikara, tokony hiadiana ny kolikoly. Ary misy fiantraikany amin’ny sehatra rehetra toy ny fitantanana, toekarena, ary fiarahamonina izany. […]
Mois : septembre 2025
Tetikasa Ma Honko: Jiro miisa 90 napetraka any Sofia
Taorian’ny tany Boeny, nahazo ny anjarany koa ireo fokontany iasan’ny tetikasa Ma Honko, ao anatin’ny kaominina any amin’ny faritra Sofia. Natolotra tao amin’ny biraon’ny Faritra, ny 13 septambra teo, ny jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 90, ho an’ny kaominina 10, amin’ny distrika telo, Antsohihy (Ambodimandresy, Ambodimadiro, […]
Ankarafantsika: Voafehy ny afo
Nirehitra ny alakamisy teo ny ala any amin’ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Niara-nientana avy hatrany ny mpisehatra rehetra any an-toerana namono ny afo. Voafehy ny alahady maraina, 14 septambra teo, ny afo, ary mitohy ny famonoana sy ny fanaraha-maso ny otrikafo manodidina ny faritra arovana, sao sanatria, mitarika firehetana vaovao indray. Tsy […]
Madagasikara sy Frantsa: Hanamafy ny fiaraha-miasa momba ny fitsinjaram-pahefana
Hotanterahina eto Madagasikara, ny 18 sy 19 septambra ho avy izao, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Assises de la Coopération décentralisée ». Ifarombonan’i Madagasikara sy i Frantsa ny mikarakara izany. Hampiantrano ny andiany fahatelo amin’ny hetsika fanamafisana ny fifanarahana eo amin’ny malagasy sy ny frantsay, « Assises de la coopération décentralisée », i […]
Sahirana ny mpamokatra: Mitotongana ny vidin’ny lavanila
Miovaova be ny vidin’ny lavanila masaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miantraika any amin’ny lavanila maitso miainga any amin’ny tantsaha izany, izay tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra, ankehitriny. Firenena voalohany maneran-tany mpamokatra lavanila i Madagasikara. Miantoka ny 80%. Mitotongana tanteraka ny vidiny amin’izao fotoana izao, miainga any amin’ny tantsaha mpamokatra. Tafidina […]




