Mois : septembre 2025

Hamantam-bonona?

  Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Tsy arakaraky ny hevi-diso ketrehin’ireo milaza azy ho mpanohitra. Tsy vitan’izay fa mbola any an-dafindriaka, tsy afa-manao na inona na inona no be vava. Manao fampirisihan-diso ny vahoaka izay efa mahatsapa fivoarana eto amin’ny tanàna. Efa leom-boananana amin’ny hafi­tsoky ny mpilalao politika […]

Firotsahan-kofidina loholona : 60 tapitrisa Ar ny anto-bola isaky ny lisitra kandidà

Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana loholona, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny governemanta. 60 tapitrisa ariary ny anto-bola isaky ny lisitry ny kandidà amin’izany. Misy ny didim-panjakana 2025-912 navokan’ny governemanta, tamin’ ny 9 septambra 2025, izay fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona ho amin’ ny 11 desambra. Ny mpifidy vaventy […]

TSELATRA

May kilan’ny afo ny trano an-jatony any Anosi­nakoho, kaominina ambonivohitra Mananjary, omaaly tamin’ny 4 ora sy 20 min hariva. Niara-nientana mamono ny afo ny mponina satria tsy misy sampana mpamonjy voina any an-toerana. Vokany, lasa lavenona avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Manao antso avo mba hisian’ ny mpamonjy voina […]

takalonaina tao Ankilimalinike: Tafatsoaka ny iray, roa mbola voatazon’ny jiolahy

Olona telo no nataon’ny jiolahy manodidina ny 10, taka­lonaina, tany amin’ny fokon­tany Saririaky, kaominina An­kilimalinike, distrika Toliara II, ny sabotsy 13 septambra teo. Noratrainy ireo olona ireo ary nentin’izy ireo nitsoaka tany anaty ala. Nampandrenesin’ ny sefo fokontany ny mpitandro filaminana, tamin’ny 3 ora tolakandro, ary nandeha ny fanarahan-dian’ny zandary, […]

Andranomena : Rangahy iray maty voadonan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andranomena, akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be 159, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Namoy ny ainy voafaokan’ ny fiara ny raim-pianakaviana iray, 46 taona. Olona 13 hafa ihany koa naratra ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ ny hopitaly Loterana Ambohibao sy Manara-penitra Andoha­ta­pe­naka. Avy any Ambohidroa, hihazo […]