Mois : septembre 2025

Lozam-pifamoivoizana : Rangahy iray maty voafaokan’ny Tuc-tuc

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa Bis, afakomaly, tamin’ny 7 ora hariva. Niseho teo amin’ny toerana manoloana ny Tropical Fruit izany. Tuc-tuc marika Piaggio iray, nentina lehilahy iray 30 taona, no nihavian’ny loza. Nandona rangahy (55 taona) nandeha an-tongotra teny amin’ny sisin-dalana izy. Noho ny hamafin’ny dona, […]

Niala ny tranony : Lehilahy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Raim-pianakaviana iray hita faty teny amin’ny reninanon’Ikopa, manakaiky ny Digue Andohatapenaka, afakomaly maraina. Mpanarato teny an-toerana, avy any Ambohitrimanjaka, no nahita razana, ka nampandre ny tomponandraikitra. Nisaringotra tao amin’ny haratony ny tongotr’ilay olona maty. Nampiakatra ny razana hita teny an-tanety ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Nitondra izany teny anivon’ny […]

Fitadiavan-karena tafahoatra : Zazalahikely natao sorona !

Notapahan-doha ho sorona hitadiavana vatosoa ny zazalahikely vao fito taona. Tra-tehaka tao Andilamena ny nahavanon-doza. Maty voatifitra sy nodoran’ny fokonolona i Pasy, iray tamin’izy ireo. Nikasa handositra i Pasy teny am-pijerena ny toerana nanaovan’izy ireo sorona ilay zazalahikely fito taona. Nampitandrina azy hijanona ny zandary avy ao amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]