Mois : septembre 2025

Manjavozavo ny hoavy: Beazina ho vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy

Taona 1960, niverina ta­min’i Madagasikara ny fahaleovantenany. Samy nanana ny niheverany io tranga io sy ny zava-mifamatotra aminy. Ny niraisan’ny loha: « afaka isika. Antsika amin’izay i Madagasikara sy ireo momba azy rehetra». Izay tokoa no nitranga?… Afaka? Tany ambadik’Imanareza, nanana ny maha izy azy ny Malagasy. Nitohy taty amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Hanokatra ny lalao, anio, ny eo amin’ny sokajy vehivavy, izay hifanandrinan’ny GNBC Analamanga sy ny Varsity Anosy ary ny MB2ALL Analamanga sy ny Dunamis Analamanga, amin’ny 9 ora maraina. Hotanterahina ny […]

Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025» : Efatra ireo mpilalao hisolo tena an’i Madagasikara

Nampahafantarin’ny Fede­ra­tion sport boule malagasy (FSBM), omaly, tany Frantsa, ny anaran’ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Fihao­na­na hotanterahina any Rome, Italie, ny 18 ka hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Lalao ho an’olon-droa, lahy sy vavy, ary lahy sy vavy miaraka. Ho an’olon-tokana lahy […]

Basikety : Mpitsara 21 eto Afrika manaraka fiofanana

Mandray ny fampiofanana ho an’ny mpitsara eto Afrika, karakarain’ny Fiba Afrika, i Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, haharitra 4 andro. Mpitsara 21 mianadahy avy amin’ny firenena 12 (Madagascar, Algérie, Botswana, Cameroun, Égypte, Éthiopie, Gabon, Kenya, République centrafricaine, Rwanda, Tanzanie, Angola) no manaraka izany […]

Fanasaziana Karatekas: Samy nitondra fanazavana i Mami sy ny FKM

Somary nafana indray taorian’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate, ny resaka mahakasika ilay atleta voalaza fa voasazy. Fantatra fa nandray anjara tamin’io fifaninanana io, ny faran’ny herinandro teo, Raveloson Mami-Mick, ilay atleta misedra olana ary voahosotra ho tompondaka teo amin’ny kata individuel. Nisy, araka izany, ny fanazavana […]