Mois : septembre 2025

FANTINA sy FINTINA

Nandray ny ambasadaoron’ny Federasio­nina rosiana eto Madagasikara, i Andrey Andreev, teny amin’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra Rasata Rafaravavitafika. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaasa amin’ny fihaonambe faharoan’ny minisitra Rosia-Afrika, any Le Caire, Ejipta, ny 18-19 novambra 2025, i Mada­gasikara. Natao tany Beyrouth, Liban, ny fivoriambe voalohan’ny Filankevitry ny […]

Safidy : “Tsy azo ihodivirana ny fifidianana loholona”

“Momba ny vokatra azo amin’ny rafitra: voalazan’ny lalàmpanorenana ny Anteni­mierandoholona, tsy maintsy apetraka mba ho feno ny rafitra mpanao lalàna na ny parlemanta.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razana­mahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana loholona. Noho izany, rafitra na andrimpanjakana tsy azo […]

Mivaro-panahy

  Tafahoatra ny finoanoam-poana ankehitriny! Miroborobo sy mahazo vahana eny amin’ny haino vaky jery sy tambajotran-tserasera ny dokambarotra mahakasika fitsaboana “hafahafa”. Tsy tambo isaina ry “mama ranona” sy “dada ranona” mpanasitrana. Manginy fotsiny ry “tantine” sy “tonton” mpitaiza masina! Mandroboka sy manodoka ery ny filazana fa mahay fahagagana mitondra soa. […]

Fifidianana ben’ny Tanàna tany Betroka: Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ny GJMP

Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ary efa nahazo taratasy manamarina izany ny GJMP, araka ny fanazavan’ny depiote Randrianasolo Jean-Nicolas momba ny fifidianana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Betroka. «Nivaly ny Filankevi-panjakana fa mandresy izahay, ary efa nahazo taratasy ny amin’izany ny GJMP tamin’ny 5 septambra.” Io ny nambaran’ny depiote […]

TSELATRA

Lehilahy iray mpitaingina bisikileta naratra mafy voatsindrin’ny sarety feno lafarina tamin’ny gony, tetsy Anosizato Atsinanana, omaly tamin’ny valo ora sy 45 minitra maraina Nisisika handeha hitady lalana, nandritra ny fitohanan’ny fiara lavareny teny an-toerana, izy io no niharan-doza. Efa nentina nihazo ny hopitaly izy taorian’ny loza. Voarakitra tao anatin’ny Camera […]