Nifarana ny talata lasa teo, tao La Talaudière France, ny Masters 2025, taranja tsipy kanetibe. Tsy azon’ny Malagasy izany fifaninanana izany, na noheverina ho “favori”, tamin’ireo mpifaninana aza i Madagasikara. Resin’ny ekipan’i Bonetto, teo amin’ny famaranana tamin’ny isa mazava, 13 no ho 4, i Yves sy i Balôty ary i […]
Mois : septembre 2025
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fananana kianja”
Miezaka manatsara sy mampivoatra ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana. Manaporofo izany ny firosoana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny « tribunes » etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy. Ho fanatsarana ny tontolon’ny baolina kitra eto Madagasikara, nohatsaraina ny kianjan’ny CFFA etsy Andoharanofotsy. Napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, ny vato fototra […]
« Les Doctoriales » andiany faha-11 : Hanomezan-danja ny voka-pikarohana ho an’ny fampandrosoana maharitra
Nanomboka ny talata ary haharitra efatr’andro ny hetsika « les doctoriales », andiany faha-11. Tontosaina eny amin’ny tranom-bokin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso izany. Hetsika ifanakalozan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, manana ny mari-pahaizana “doctorat”. Natao hampivondronana ireo doctorants eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo sy avy any amin’ny faritra ary ireo oniversite sasany eto Antananarivo sy avy […]
Fiteleman’ny ranomasina an’ i Legofa: Mila mifona amin’ny fadintany ny ray aman-dreniny
24 ora taorian’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, tsy mbola hita i Nathan na Legofa, tovolahy 14 taona natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Nilomano tanaty ranomasina niaraka tamin’ny zatovolahy namany teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray izy. Raha ny angom-baovao, tovolahy tokony hiditra […]
Baolina kitra – Amboaran’ny CAF: Mpilalao 25 hoentin’ny AS Fanalamanga
Hanainga amin’ny herinandro ho avy io ny AS Fanalamanga, hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny Caf, taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohany amin’ny Ferroviaro Mozambique. Nambaran-dRabevahiny Arlem, tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, omaly, fa mpilalao 25 no hoentin’ny ekipany miatrika izany. Any Mozambika avokoa no […]




