Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fikomiana nataon’ny mponina ao Nepal, omaly. Nodoran’ny olona velona ny vadin’ny praiminisitra. Nifanenjehana manerana ny tanàna ny minisitry ny Fitantanam-bola. Nopotipotehin’ny olona ny lapam-panjakana sy ny toerana noheverina ho fanangonana ny haremben’ny mpitondra. Niaiky ny faharomotan’ny olona ireo mpanara-baovao. Mampihorin-koditra tokoa, tena hoe miverina aotra […]
Mois : septembre 2025
Fanatsarana ny velon-tena : Ala honko 15 000 ha harenina any Boeny
Harenina ny ala honko any amin’ny faritra Boeny. Tsinjovina ihany koa ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra amin’ny tetikasa iray an’ny Bôndy Madagasikara izany. Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa Honko, tanterahin’ny orinasa Bôndy. Miisa efatra ny faritra iasany, Diana, Sofia, Boeny ary Melaky. Tanjon’ny tetikasa ny hanarenana ny ala […]
TSELATRA
Jiolahy iray lavon’ny zandary tany Betioky Atsimo, afakomaly alina. Nikasa hanafika tranon’olona iray tany an-toerana izy ary nifanehitra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Bezaha. Nandositra ary voatifitry ny zandary ka lavo. Jiolahy raindahiny ary fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika ihany koa […]
Nodomin’ny fiara : Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no nifaoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny […]
Doro tanety : Trano 75 tafo kilan’ny afo
Kilan’ny afo tanteraka ny trano manodidina ny 75 tafo any amin’ny fokontany Ankadimena, kaominina Fierenana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. May tao avokoa ny biby fiompy rehetra, ny vola tahiry, ny vary, hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, raha ny tatitra voaray. Levon’ny afo ary lasa lavenonana avokoa ny trano sy ny […]




