Mois : septembre 2025

FANTINA sy FINTINA

Raikitra ny fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona. Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana momba ny fanatanterahana sy ny fikarakarana izany fifidianana loholona izany, araka ny fehezan-dalàna. Tsiahivina fa anisan’ny mpifidy vaventy amin’izany ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Notolorana mari-pankasitrahana ny ambasadaoron’i Japon, Koji Abe. Nanolotra […]

Antoko politika : Hofanina amin’ny fangaraharahan’ny vola

Hiditra amin’ny andiany faharoa, amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra, ny hetsika sy fanofanana iarahana amin’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG). Efa notanterahina ny herinandro teo ny andiany voalohany tamin’izany. Nandray anjara tamin’izany ireo antoko sy fikambanana politika. Nifampizarana sy noresahina tamin’izany ny momba ny lohahevitra: “ny mangarahara amin’ny fitantanana sy […]

Tokony hifandanja

  Raha misy sehatra iray manana ny maha izy azy sy misongadina amin’izao fotoana izao dia ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny resaka diplaomasia. Tsy iadian-kevitra ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena misongadina tokoa ilay firenena, manoloana ny mpifanandrina. Tsy amin’ny sehatra kaontinantaly ihany fa manerana an’izao tontolo izao. Tsy mena-mitaha […]

Fivoriamben’ny ONU : Hodinihana any New York ny « Iles Eparses »

Miverina ary anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadinika iraisam-pirenena indray ny raharaha momba ireo Nosy malagasy (Iles Eparses). Manomboka anio any New York ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU) ka nampahafantarana fa tafiditra ho lohahevitra faha‑60 ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fivoriana faha‑80 eo anivon’ny ONU ireo Nosy malagasy ireo. Voalaza fa hiverenana hodinihina […]