Mois : septembre 2025

Fidiran’ny mpianatra : Mila ampitomboina ny fahamailoana

Ao anatin’ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly isika izao. Fotoana maha betsaka ny fivezivezena indrindra ny ankizy sy tanora. Mila mampitombo fahamailoana eny an-dalana ary manome torohevitra amin’ny aro lozan’ny fifamovoizana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Ireo ray aman-dreny fa indrindra ireo mpanampy manatitra sy mpaka mpianatra dia tokony hitantana ny […]

Taom-pianarana vaovao : Efa niditra an-tsekoly ny 90% ny mpianatra

Nosantarina ny fiandohan’ny herinandro teo ny taom-pianarana 2025-2026, haharitra hatramin’ny 24 novambra ny roa volana voalohany. Hiroso amin’ny fiatoana kely izany ny 25 novambra ka hatramin’ny 2 desambra ho avy izao. Raha ny EPP eto Antananarivo, 90% ny tahan’ny fidirana any an-tsekoly, ho an’ireo mpianatra tokony ho any an-dakilasy. Samy […]

TARATRY ny KANTO

Madagascar Mozarteum tafiditra ao anatin’ny « Dimanche Classique » andiany faha-22. Fampise­hoana hotanterahin’i Ianne Karisy Rajesson miaraka amin’ny feo kantony. Hitendry ny piano kosa i Hery Andrianirina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hokaloiny amin’izany ny sanganasan’i G. Puccini, J. Massenet, C. Monteverdi, Gershwin… Fampisehoana hotontosaina ny 14 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora […]

« Ikalamara »: Nivoaka ho tantara fihaino ny boky

Ny volana desambra 2024 no nivoaka ny boky « Ika­lamara », nosoratan’i Mam­pianina Randria. Nanana ny lalany taorian’izay ity boky novokarin’ny éditions Karné ity, noho izy mivoy lohahevitra miavaka. Mbola ao anatin’izay lalana izay ihany, nivoaka amin’ny endriny tantara fihaino koa amin’izao ny boky « Ikalamara ». Tsy toy ny tantara an’onjampeo akory, fa […]

Soradihy : Hizara ny «Kanyar » eto i Didier Boutiana

Fifanakalozana eo amin’ireo mpamorona sy mpandihy ny fandaharanasa « Pulse ». Tafiditra ao anatin’izay ny fandalovan’i Didier Boutiana eto, hanolotra ny soradihy « Kanyar », ny sabotsy 13 septembra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny IFM Analakely. Ao anatin’ny hiran’i Labelle sy Maya Kamaty no hizaran’i Didier Boutiana ny hafatra voizin’ny « Kanuar ». Teratany […]