Mois : septembre 2025

Fianarana ambaratonga ambony: Mahaliana ny tanora ny famoriana fiaramanidina

Mananosarotra amin’ny tanora ny fisafidianana la­lam-­piofanana ara­hina aorian’ny fa­ha­fahana fanadinana bakalorea. Ma­nom­boka mahaliana ny azy ireo ny fandratoana ny lalam-piofanana mahakasika ny tontolon’ny famoriana fiaramanidina. Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea eto Madagasikara. Kely dia kely ny fahafahana mandray mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana, raha mitaha ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana […]

Faritra arovana : Hamafisina ny fahaiza-manao

Natao tany amin’ny faritra Anosy sy Atsimo Andrefana, ny 20 hatramin’ny 30 aogositra teo, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana mahakasika ny fanomanana sy ny fanavao­zana ny Drafi-pampandro­soana eny ifotony handraisan’ ny rehetra anjara (PDLII) any amin’ny faritra atsimon’i Mada­gasikara. Tanjona ny hanomezana fitaovana stratejika ho an’ny kaominina tsirairay, izay natao […]

QMM Taolagnaro: Tanora 25 hisitraka ny Fandaharanasa Lombao

Manohana ny tetikasa volavolain’ny tanora ny orinasa QMM any Taolagnaro. Nivoaka ny andiany voalohany hisi­traka ny fandaharanasa Lombao. Miara-miasa  amin’ny Miarakap ny orinasa QMM amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina (RSE). Mpandraharaha miisa 25, vehivavy ny 14 ary lehilahy 11 no hisitraka ny fandaharanasa Lombao. Tanora 18 ha­tramin’ny 35 taona […]