Mois : septembre 2025

Rugby – Amboaran’i Madagasikara: Mbola voatazon’ny Cosfa ny maha tompondaka azy

Tsy niova tanana ny nahazo ny amboaran’i Mada­gasikara 2024, taranja rugby. Mbola norombahan’ny Cosfa miaramila izany, omaly, tetsy Andohatapenaka, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny moka fohy, teo amin’ny dingan’ny famaranana, 40 no ho 39, ny FTM Manjakaray. Raha hiverenana kely, ny fifanandrinana teny an-toerana, hita ho tena niady tanteraka ny lalao, […]

DAKA AN-JORONY: Ataovy toy ny sinibe manga roa

Niteraka hevitra samihafa ny fanomezana natolotra ho an’ireo mpilalao sy ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, taorian’ny nahazoany ny laharana faharoa nandritra ny Chan natao tany Kenya, ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Ankoatra ny lelavolabe sy ny fanampiana isam-bolana azon’ny tsirairay, mbola nomena villa ihany koa izy ireo. Nanaitra ireo […]

Taranja tolona – Beach Wrestling Africa 2025: Tsy nintsanga-menatra ny Malagasy fa nitondra medaly roa

Na dia teo aza ny olana nianjady tamin’ny atleta malagasy, nitondra medaly roa, alimo sy volafotsy, izy roa mianadahy, izay niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Beach Wrestling Africa 2025. Notanterahina tany Casa Blanca Maroc, ny 3 ha­tramin’ny 7 septambra lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja […]

Baolina kitra: Coach Rôrô, ilay nahatonga olona maro ho milionera

Tsy honohono ity ry zareo, masontsika ny nahita fa tao anatin’ny iray volana, fianakaviana maro no afa-pahasahiranana ary olona am-polony mahery, tonga mpanapitrisa tampoka ka lasa «milionera». Tsy tamin’ny alalan’ny Tic Tac Dou, na «rallye des miracles» fa tamin’ny baolina kitra. Rakotondrabe Romuald Félix (coach Rôrô), nahavita izany tamin’ny fomba […]

Sarimihetsika : 758 ny « films » handray anjara amin’ny MFF 20

Manana fivelarana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Hotan­terahina ny 12 novambra ka hatramin’ny 17 novambra izao ny andiany faha-20 amin’ilay hetsika lehibe « Madagas­court Film Fes­ti­val ». Mahatratra hatrany amin’ny 758 ny isan’ireo « films » hifaninana. Isa anisan’ny maneho fisokafana goavana raha oharina amin’ny andiany teo aloha. Ny 62 […]