Mois : septembre 2025

Apipa: Hodiovina tsy tapaka ny farihin’Anosy

Nampahatsiahy sy namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Apipa. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny momba ny farihin’Anosy. Voatsiahy amin’izany fa mirefy 8 ka hatramin’ny 10 hektara io farihy io. Toerana manan-tantara, eo amin’ny lafiny kolontsaina ary koa ny teknika eo afovoan’­ Antananarivo. […]

Niofana ho Maître exploitant (Mex): Nivoatra ny fiainan-dRamaholiarimanana Vololomboahangy mianakavy

Iray amin’ireo Maître ex­ploitant (Mex) nofanin’ny Agri­sud Ramaholiarimanana Volo­lom­boahangy Pascaline, ao amin’ny fokontany Tane­tibe, kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, tamin’ny andiany faharoa, ny taona 2014. Nanomboka teo no niara-niasa tamin’ny tetikasa izy ary nahatsapa fa nitombo ny velaran-tany nambolena rehefa nanao “courbe de niveau” ary niakatra koa ny lanjam-bokatra. Nihena ny […]

Tetikasa “Mahavotra” : Ho matihanin’ny tontolo ambanivohitra ireo tantsaha

Miara-dalana amin’ny tetikasa “Mahavotra” amin’ny fanapariahana ny teknika agro-écologique ireo Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud tao anatin’ny 14 taona. 500 mahery kely ny isan’ny Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud, anatin’ny tetikasa “Mahavotra”, izay misy andiany dimy, hatramin’izao. Amin’ireo niofana tao anatin’ny andiany valo, 450 mahery no mbola am-perinasa, araka ny fanazavan’ny teknisianina […]

TARATRY ny KANTO

« Ahoana ny hoavin’ny literatiora malagasy? » Izany no lohahevitra hiaraha-mizara mandritra ny kafe literera “Bar à livres” izay hatao eny amin’ny Le Park Bemasoandro-Itaosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro. Adihevitra iarahana amin’ireo poeta, mpanoratra, mpanao slam ary mpandala ny literatiora amin’izao fotoana izany. Orad Ravalison, Indiamahery, Libertador, Tagman Namtag ary i […]

Fanehoana ny hatsaran’i Madagasikara: Namoaka clip « C’est la bella vita » i Paskero

Nampahafantarina omaly, tao amin’ny foiben’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara etsy Ambohi­dahy, ny fivoahan’ny rindrantsary (clip) « C’est la bella vita », sanganasan’i Paskero. « Tiako ity firenena ity. Babon’ny hakanton’i Mada­gasi­kara aho ka izay no anisan’ny antony lehibe namoahako ito rindrantsary ito », hoy ity mpihira teratany frantsay ity. Tany amin’ny volana […]