Mois : septembre 2025

Judo-Afrika Vétérans : Medaly 8 azon’ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, sokajy Vétérans. Fifanin­tsanana afrikanina notanterahina tany Maorisy, ny alakamisy lasa teo izy ity. Malagasy mpikatroka dimy no nahazo medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Anisan’izany Andriambelo Noelson, teo amin’ny sokajy Men M3 -66kg, Ralijaona Floriano, (Men M4 […]

Rugby – “Top 8 Mada” : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny Cosfa sy ny FTM

Hitana ny sain’ny besinimaro amin’ity faran’ny herinandro ity ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby “Top 8 Mada”. Hiady izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa tsy resy mihitsy hatreto amin’ity dingana ity. Tsontsori-mamba isarahana izany ny an’ny roa tonta. Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny « Salon de l’étudiant » andiany fahatelo, ho an’ny faritanin’­ Antananarivo, karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary tekinika (CIDST). Tanjona ny hanampy ny ray aman-dreny sy ny tanora amin’ny fanomanana ny hoaviny. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny […]

BNGRC-ACF: Horaisina an-tanana ireo tsy ampy sakafo

Nanatanteraka atrikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny asa antoka mialoha (AA) sy ny fitohizan’ny fikarakarana ny olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mafy (Pecmas) raha misy loza tampoka ny BNGRC sy ny ACF. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo rafitra voakasika amin’ny fanatanterahana ny asa fisorohana mialoha ny tranga tsy fanjarian-tsakafo sy […]

Fikambanana Mitia Soa: Mpianatra 1 000 nizarana fitaovam-pianarana

Nahatsiaro manokana ireo ankizy hanomana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eny amin’ny CEG sy EPP ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny fikambanana Mitia Soa izay tarihan’ny filohany, Andrianasolo Nofinirina Tinasoa (Datina). Novatsiana fitaovam-pianarana feno sy ampy ho an’ny taom-pianarana mba hampirisihana azy ireo hanao ezaka mafy ho afaka amin’izany […]