Mois : septembre 2025

Faritra Atsinanana : Hamafisina ny fahaizana miatrika loza

Anjaran’ny faritra Atsinanana indray no omena ny toromarika amin’ny fanamafisana ny fahaizana miatrika ny karazana loza voajanahary. Raha ny antontanisa, 61 ireo tranga na sehona andro ratsy toy ny rivodoza sy tondradrano teto Madagasikara, tato anatin’ny 10 taona farany. Nahakasika ny faritra Atsinanana avokoa ny 22 tamin’ireo. 800 ny olona […]

Mpiasan’ny fahasalamana : Mila manaraka fandaminana, tokony hanana fijery miabo

Manoloana ny fifandroritana eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana manao ankolafy, mitondra fanazavana ny avy amin’ny Fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana Mijoro, izay ahitana mpitsabo sy paramedy ary mpandraharaha. Nolazain’ny Fiombonan’ ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy tokony hodian-tsy hita ny zava-bita amin’ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana izay miorina manerana ny Nosy, toy ny CSB sy ny […]

Diamar : Manameloka ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’ izao fotoana, namoaka fanambarana iombonana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsora sy ireo Malagasy mila ravinahitra any Eoropa mivondron ao amin’ny Diamar, omaly, tany Paris. Voalazan’izy ireo amin’izany fa tsy fitakiana tsotra momba ny fahatapahan-jiro sy rano no voizina’ny mpanohitra amin’ izao fa fikasana hanozongozona fanjakana […]

SOMBIM-BAOVAO

Dingana manaraka ho an’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy olon-telo miaraka vehivavy. Fihaonana hotanterahina any Douaisis, France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Efa any an-toerana ny ekipam-pirenena mala­gasy manoman-tena ho amin’izany. Hankafy lalao baolina kitra mahafinaritra indray ny […]

Volley-Mada 1D : Mandravarava ny ekipan’ny Zandary

Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Tante­rahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano sy eny amin’ny ANS Ampefi­loha izany. Tsy mbola lefy laza hatreto ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball) […]