Mahalaza azy ny lohatenin’ny fampisehoana. Samy manana ny hanitra ho azy ireo mpanakanto nosafidiana hiray sehatra, hamoaka ilay « Feo maroloko ». Hanaraka izay koa ny mozika holalaovina. “Sarin’ny mozika eto anivon-tany io”. Izay no namintinan’i Rija Ramamantoanina ny “Feo Maroloko”, seho hotontosaina ny alahady 28 septambra izao, manomboka amin’ny […]
Mois : septembre 2025
TSELATRA
Nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny taksiborosy iray, teo anelanelan’i Miarinarivo sy Amboalefoka, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny angom-baovao. Kodiarana vaky no nitarika ny loza. Sigara hosoka miisa 57 000 fonosona sarona tao […]
Doro tanety niteraka haintrano : Olona iray maty teo am-pamonjena ny fananany
Nitrangana haintrano indray tany Antafiandakana, kaominina ambanivohitra Ankeriky, distrikan’Antsohihy, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Olona iray namoy ny ainy, may kilan’ny afo nandritra ny loza. Niezaka namonjy ny fananany may sy taraiky tao an-trano izy no tsy tafavoaka intsony ka tototry ny afo tao. Ankoatra izay, trano maro levon’ny afo, […]
Vola sandoka : Lehilahy iray tratra nanaparitaka
Vosambotry ny polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, etsy Analamahitsy, afakomaly atoandro, ny lehilahy iray nanaparitaka vola sandoka. Nanao petra-bola manodidina ny 240 000 Ariary tamin’ny Cash point iray teny Analamahitsy ity lehilahy ity. 20 000 Ariary maro, izay vola sandoka ny ankamaroany, fa nampiany 10 000 Ariary tena […]
Andakana-Mahitsy : Nodoran-dreniny ny filahian-janany
Zava-doza! May vokatry ny fandoran-dreniny azy ny filahiana sy ny faritry ny kibon’ny zanany tao Andakana Mahitsy, afakomaly. Nolazaina ho nangalatra io zaza io. May nodoran’ny reniny ny filahian-janany tao Andakana, Mahitsy, afakomaly. Nolazain’ny reniny ho nangalatra vola ity zanany lahy ity. Mitentina 200 000 Ar ny vola voalaza ho nangalarin’ […]




