Mois : octobre 2025

Orinasa Star : Ostie ho an’ny mpiasa, eny Andranomahery

Laharam-pahamehana ho an’ny orinasa Star ny fiarovana ny mpiasa amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny fahasalamana. Nisokatra ny 20 oktobra teo ny toeram-pi­tsaboana Ostie, eny amin’ny foibe Andranomahery. Hano­me fitsaboana haingana sy tsara kalitao, iarahana amin’ny ekipa mpitsabo sy fitaovana maoderina, mba hisitra­han’ny mpiasa fitsaboana mendrika. Ankoatra ny fotodrafitrasa, mandray […]

Raharaha Jirama : Mbola mitohy ny fandrahonana

Nanao amboletra, niditra tao amin’ny foibe Jirama Ambohjatovo Ambony, ny mpikambana iray ao amin’ny sendikan’ny mpiasa, omaly. Taorian’izay, nilaza ny pejin’ny Jirama ofisialy fa mbola mitohy hatrany ny fandrahonana atao amin’ny tale jeneraly, Ron Weiss. Voalaza fa mpiara-miasa sasany mbola te hanohy, handetika lalindalina kokoa ny orinasa, noho ny kolikoly, […]

Seranam-piaramanidina : Mitaky 80 miliara Ar amin’ny orinasa Ravinala ny Adema

Manaitra ny Filoham-panjakana sy ny governemanta vaovao ny mpiasan’ny orinasa Adema. Mitaky ny handoavan’ny orinasa Ravinala Airports S.A, ny volany mitentina 16 000 euros. Haba ho an’ny fitantanana tsy voaloa nanomboka ny taona 2020 io vola io. Namoaka fanambarana ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Adema, omaly 20 oktobra. Nampahatsiahiviny fa miisa 57 […]

Editions Jeunes Malgaches: Nivoaka ireo boky mirakitra ny tantara

Boky roa mirakitra ny tantaran’i Madagasikara, hanampy sy hanamafy ireo efa nisy. Efa nivoaka izao ny « Mada­ga­scar sous la 1ère Répu­blique de 1960 à 1972 », nangonin-dRakotoniaina Beari­soa. Manohy izany ny « Mada­gascar sous la 2e Republique de 1975 à 1992 » notontosain’i Lahiniriko Denis Alexandre. Samy novokarin’ny Editions jeunes malgaches avokoa izy ireto. […]

“Mondial du pain” andiany faha-10: Sambany hisy Malagasy solontena hifaninana

Mamiratra hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maromaro izay fifaninanana hainahandro nandraisan’ny Malagasy anjara izay, fa voalohany kosa amin’ny “Mondial du pain”. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy. Ta­zana nandritra ny lanonam-panokafana sy fampahafantarana ireo firenena hifaninana mandritra ny “Mondial du pain”, omaly, izany, tany Nan­tes, France. Firenena 20 eo no manana solontena […]