Mois : octobre 2025

Fahafatesana mampiahiahy: Mpitaom-biriky roa niara-namoy ny ainy

Mpifankatia niaraka na­moy­ ny ainy tao amin’ny fokon­tany Tsarafirasaina, kaominina Ambano, distrikan’­ Antsirabe II, omaly. Niakatra tao ambonin’ny biriky vao hodoroana ireo olona roa ireo. Olona hiasa maraina no nahatsikaritra ny fisian’ny olo­na efa nitsirara tao ambonin’ny biriky. Nampandre ny ma­nodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Niantso koa ny tomponandraikitry […]

Zava-mahadomelina: Roa lahy nahatrarana rongony 14 kg

Nandositra tao anatin’ny haizina ireo roa lahy nitondra rongony tamin’ny gony rehefa nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambanin’ny Hopitaly, kaominina Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny 18 oktobra teo. Nitatitra ny entana tao anatin’ny gony ireo roa lahy. Nanararaotra ny alina izy ireo ka nihevitra tsy hisy hahatsikaritra. Nifanandrify tamin’io fikasan-dratsy […]

Ramatoa novonoina teny Vontovorona: Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza

Lehilahy iray 18 taona no nahavanon-doza namono nahafaty ilay renim-pianakaviana (72 taona) iray tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, ny 7 oktobra teo. Tsy namaly arahaba ny anton’ny famonoana. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona, afakomaly, ny olona telo mianaka. Nahitana renim-pianakaviana iray (54 taona), mpamboly sy ny zanany […]