“Aminay manokana, raha izao ny fiovana sy fanovana nitolomana: maty momoka. Tsy mety intsony”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, ny amin’ny fifidianana birao maharitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, afakomaly. Raha ny lisitry ny olona ho lany ao amin’ny birao maharitra: efa fantatra sy […]
Mois : octobre 2025
Omaly tsy miova
Anatin’ny fanorenana sy fanarenana tanteraka amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana malagasy. Ny olona aloha no efa voapetraka tsikelikely. Miroso miandalana sy tsy mikoropaka. Ny rafitra no mbola omaly tsy miova. Tsy ho atoato rahateo anefa, tsy maintsy miandry ny lamina izay any ambatobevohoka, vao mitsaika. Raha ny resaka roa […]
Fitakiana teny an-kianja: Niaraha-nidinika ny Praiminisitra sy ny Vondrona eoropeanina
Noraisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE), Roland Kobia, omaly. Voaresaka tamin’izao fihaonana voalohany teo amin’ny roa tonta izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’izany ny momba ireo tetikasa lehibe eo amin’ny lafiny sosialy sy ny ara-toekarena, anisan’ny andrasan’ny vahoaka malagasy. […]
Tsipy kanetibe – «Mada sénior»: Hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika izay voalohany
Hotanterahina eny Maibahoaka Ivato, ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao, ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy Senior, lehilahy, olon-telo miaraka. Fifaninanana karakarain’ny federation sport-boule malagasy (FSBM). Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanam-pirenena ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana. Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du […]




