Mois : octobre 2025

Minisitra Ogascar Mandrindrarivony : “Hijoro ho mpampihavana aho…”

Nandray ny asany avy hatrany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly. Nametraka ireo laharam-­pahamehana amin’ireo mpiara-miasa aminy manomboka eto izy. Hipoka olona ny Tranom­bokim-pirenena, omaly. Tsy olona hamaky boky na hijery fampisehoana ireo, fa tonga nanotrona ny famindran’ny minisitry ny Kolon­tsaina sy ny serasera teo alo­ha, Mara Volamiranty […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitaky ny handravana ny filankevi-pitantanan’ny Omnis ny sendikàn’ny mpiasa. Voalaza fa mbola ny minisitry ny Paositra teo aloho no PCA ny orinasa raha efa nifarana ny volana novambra 2024 ny fe-potoana iasany. Mitaky ny hamerenana ny andiany « Pétrolier » sy ny orinasa ho eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika mivantana ihany […]

Loharanon-karena anatiny: Hametraka rafi-pampandrosoana mahomby

Vaindohan-draharahan’ny governemanta vaovao ny fanavaozana hanatsarana ny toekarena hampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga teo aloha, Mahatante Paubert, sy ny minisitra mandray ny toerana Cahn Kit Waye Jaco, teny Ampan­drianomby, omaly. « Apetraka ny rafitra ahafahana mandrindra ny fanjonoana drakaka », […]

Fizahantany : Maherin’ny 100 tapitrisa dolara ny fatiantoka

Tafakatra hatrany amin’ny 80% ny fanafoanana famandrihan-toerana, raha maherin’ny 100 tapitrisa dolara kosa ny fatiantoka teo amin’ny sehatry ny fizahantany, taorian’ny krizy niseho ny 25 septambra teo, araka ny fanambarana nataon’ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM). Disoana tanteraka ihany koa ny tarehimarika navoakan’ny minisitry ny Fizahantany teo aloha izay […]

Sehatra stratejika: Hanohy ny asa efa natomboka ireo minisitra vaovao

Hotohizana ireo tetikasa efa mandeha hanarenana ny toekarena enti-mampandroso ny firenena. Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana ny hamahana ny olan’ny angovo sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. «Hojerena ny marimaritra iraisana hamahana ny olan’ny angovo », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, omaly, […]