Mois : octobre 2025

Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo : « Miantso ny mpiray tanindrazana ho tony »

« Manainga antsika Foloalindahy rehetra mba tsy ho voazarazara manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra koa mba ho tony », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Dera­masinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Tontosa, omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloa­lindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitan­tanana teo amin’ny MFA teo aloha, ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Hiala aho raha mbola misy delestazy afaka herintaona”

Nafana ny fifanakalozan-kevitra natao teny Iavoloha, omaly. Maro ireo olona nandray fitenenana ary tsy nihafahafa izy ireo naneho hevitra. Afaka taona iray, hiala tsy ho filoha izy raha mbola misy ny delestazy. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, izay nokarakarain’ny filo­han’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra […]

Fihetsiketsehana sy fitakiana lavareny : Mahazo vahana ny gaboraraka

Efa ahitana tanora maro manao fihetsiketsehana sy fitokonana manerana ny Nosy. Anisan’­izany ny any Toa­masina.  Amin’ny an­­kapobeny, ma­hatonga karazana ga­boraraka isan-karazany izany, ra­ha ny zava-misy. Mbola milamina sy tsy ahitana fitokonana ny any amin’ny disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana hatrany Vavatenina. Amin’ny ankapobeny, lasa matahotra hankany Toamasina ny mponina any an-toerana noho ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nofoanana ny fifaninanana “Fit Game”, taranja Bodybuilding, karakarain’ny Federasionina malagasy sy ny “Fit Game”. Fifaninanana kasaina hatao ny 8 sy 9 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpikarakara fa haverina avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo izay efa nanatanteraka izany. Mbola tsy fantatra kosa ny daty vaovao […]

Tsipy kanetibe vehivavy : Vonona ny ekipa malagasy

Hanomboka amin’ny fom­ba ofisialy anio alakamisy, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny andiany faha-20 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Firenena hatrany amin’ny 50 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika izany. […]