Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg […]
Mois : octobre 2025
Fifanintsanana Mondial 2026: Nandresy an’i Comores, 2 no ho 1, i Madagasikara
Tsara ny vokatra tany Côte d’Ivoire, omaly, ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Coalacanthes Comores, nandritra ny andro fahasivy tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany 2026. “Fandresena iray izay!”. Nahazo isa telo ny Barea. Lavon’ny ekipa nasionaly malagasy, tamin’ny isa 2 no […]
INDRAY MIJERY
Nisy fivoriana niarahana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny CEG sy Lycée Morarano, Ihosy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampahafantarin’ny mpiasan’ny fahasalamana avy ao amin’ny DRS Ihorombe sy SDSP Ihosy ny maha zava-dehibe ny fisorohana azo atao amin’ny areti-mifindra. Tafiditra amin’izany ny fanaovana vaksiny iarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ho […]
Lycée Moderne Ampefiloha : Mianatra tapak’andro ny mpianatra
Na teo aza ny fanambaran’ny mpampianatra ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha fa miato ny fampianarana noho ny fitakiana samihafa, nisy ireo tonga nanohy ny asany omaly ka nizotra tsara ny tapak’andro maraina. Nitohy ny fandaharam-potoana ho an’ireo tany an-dakilasy sy niatrika ny taranja fanatanjahantena ary nohidina toy ny mahazatra ny […]
Mpampiasa lalana : Tsy manaja ny lalàn’ ny fifamoivoizana
Vao niandoha ny hetsika fitakiana teto an-dRenivohitra izay mbola mitohy hatramin’izao, hita taratra koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny olom-pirenena amin’ny fiainana andavanandro. Ireo mpampiasa lalana no tena tsikaritra manao izany. Mandeha “contre sens” amin’ny arabe ireo kodiaran-droa tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ka ahina hiteraka loza amin’ireo samy mpampiasa lalana. […]




