Mois : octobre 2025

FANTINA sy FINTINA

Nahazo toromarika ny amin’ny tsy fandraisany anjara amin’ny governemanta ny TGV sy ny vovonana Irmar ary ireo mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nampita izany ny minisitra teo aloha, misahana ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarima­lala Marie Michelle. Hentitra ny Primatiora eny Mahazoarivo momba ny fiaram-panjakana. « Hosaziana ireo mitazona izany, tsy […]

Governemanta… masaka

  Mijoro ny governemanta vaovao. Arahaba soa, arahaba tsara… Ny vao tsy manitra no ratsy? Na ahoana na ahoana, ny asa sy ny fomba fiasa no ifampitsarana. Mazava ny sori-dalana. Na ny politika ankapobeny… Eo ny fitadiavam-bahaolana amin’izay tena maharary ny vahoaka: jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana… Eo koa ny […]

Governemanta vaovao: «Tsy maintsy ahitam-bokatra anatin’ny roa volana»

Tafajoro ny governemanta vaovao. Roa volana ny fe-potoana tsy maintsy hahitana soritra ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’izao Tetezamita izao. Midika ho tsy fahombiazana ny tsy fisiam-bokatra… “Tsy maintsy hita soritra ao anatin’ny fe-potoana roa volana farafahelany ny vokatra hanatanterahan’izy ireo izany politikam-panjakana izany. Ny tsy fisiam-bokatra mazava sy mivaingana ao […]

Fanonganana ny FMF : Tsy manaiky ny AJEA sy ny Anciennes Gloires

Tapitra anio ny 72 ora, fe-potoana farany nomen’i Boli­da, Faneva Ima, Abel Anicet, Voavy Paulin, mpilalao fahiny tao amin’ny Barea (Les 4 mousquetaires an’ny baolina kitra malagasy) ny tomponandraikitry ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny hanomezana ny ambim-bolan’ireo mpilalaon’ny Barea (Prize money), niatrika ny Chan 2024 no anton’izany. Filazana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, ny 6 sy 7 ary ny 22 sy 23 desambra ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny « Kids Game One ». Fifaninanana basikety ho an’olon-telo, sokajy U8 sy U10 ary ho an’olona dimy, sokajy U12 izy ity. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana ho […]