Nivoaka ho mpandresy ny Paradou AC, ekipa ilalaovan’i Lalaina, Malagasy mpilalao baolina kitra, nandritra ny andro faha-9 hiadina ny ho tompondakan’i Algerie, D1. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mostaganem. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao Paradou Stadium. Baolina tokana matin’i Mohamed Abdelkader, teo amin’ny minitra […]
Mois : octobre 2025
Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao
Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny […]
Jirama: Hihamafy ny fitokonana
Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Mangataka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy […]
CREM : Tokony hapetraka ny fanavaozana ara-toekarena
Mila apetraka ho loharanom-bola ho an’ny fanjakana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny « Cercle de réflexions des économistes de Madagascar » (Crem). Fotoana izao hametrahana ny fahaleovantena ara-toekarena. “Tokony ho laharam-pahamehana hifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena, ny fanovana apetraka eto amin’ny firenena”, […]
INDRAY MIJERY
Nidina teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra, eny Ambondrona, ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, notronin’ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo. Nijery vahaolana hamahana ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro izy ireo. Natomboka tamin’ny fametahana « lampadaire solaire extérieur » izany fidinana ifotony natao izany. Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ergothérapie […]




