Mois : octobre 2025

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tanimboliny, tao amin’ny fokontany Ankazomihogo, kaominina Sambava, omaly. Tsy hita nanomboka ny sabotsy lasa teo io ramatoa io. Simba ny vatany ary vely kibay no ahina ho nitarika ny famoizany ny ainy. Moto roa tra-doza teny amin’ny Rond-point Masay, omaly. Nitarika ny loza ny tsy […]

Toamasina Renivohitra : Mpirakidraharaha notafihin’ny jiolahy

Tsy milamina i Toamasina! “Efa ny jiolahy no tompon’ny tanàna ary sahy mampihorohoro ny fiarahamonina rehetra ary mihetraketraka izay tsy izy”. Izay no azo hamehezana ny fitarainan’ny mponin’i Toa­masina, ankehitriny. Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 23 oktobra teo, notafihin-jiolahy miisa efatra misaron-tava sy mirongo fiadiana toy ny basy sy […]

Fanafihan-jiolahy: Tokantrano voaroba enina hetsy Ar

Lelavola enina hetsy Ar norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny fokontany Andranomadio Parcelle 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 26 oktobra lasa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray, ao an-toerana, ireo jiolahy. Niditra tao amin’ny trano fonenan’ny tompon-tsena izy ireo. Mody nanapoaka tsipoapoaka ho solom-basy nentina nampitahorana ny […]

Afon-tsaribao tsy voafehy : Tovovavy 13 taona maty, may ny tranon’i Nenilava

Nirehitra, omaly, ny tranon’i Nenilava, mpiandry manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiangonana Loterana. Sempotra sy may ny tovovavy 13 taona. Nahatonga izany ny afon-tsaribao tsy voafehy. Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny toby Loterana Ambohibao, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 20 minitra. Izay toby fandraisana an-tanana […]

Sakafo ara-pahasalamana : Manana ny lanjany eo amin’ny vatan’olombelona ny manga

Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany. Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa […]