Mois : octobre 2025

“Poesam 2025”: Azon’i Mitao Forecast Africa ny loka voalohany

Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Oran­ge de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa mi­ompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny […]

“First Global Challenge”-Panama : Haneho ny fahaizany ny Team FGC Madagascar

Hotanterahina ao Panama, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra, ny fifaninanana iraisam-pirenena « First Global Challenge 2025 » (FGC) momba ny robotika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Éco-Équilibre », izay andraisan’anjaran’ireo tanora marobe avy amina firenena maherin’ny 190. Hisolo tena an’i Madagasikara i Nathan, Hanniel, Barisoa ary Sylvio. […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : Mahazaka kaontenera 4 500 ny « Terre-plein Hastie »

Efa miasa ary afaka mandray kaontenera hatramin’ny 4 500 ny « terre-plein Hastie » vaovao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny. Mitohy ny fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toa­ma­sina. Anisan’ny asa goavana tanterahina ny fametrahana ny « terre-plein Hastie » […]

INDRAY MIJERY

Tontosa tao Marseille, Frantsa, ny 16 hatramin’ny 18 oktobra lasa teo, ny fifaninanana «WorldSkills France 2025». Nandray anjara tamin’izany i Mada­gasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa Formapro BTP izay ifantohan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ary tohanan’ny AFD sy ny CNEF BTP. Tanora efatra no nisolo tena ny firenena […]

Sekoly tiorka Maarif : Malagasy mpianatra 23 hahazo vatsim-pianarana

Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahazoana va­tsim-pianarana any ivelany. Miisa 23 ny mpianatra ao amin’ny sekoly tiorka Maarif eny Talatamaty hisitraka izany amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra 6 no hahazo ny va­tsim-pianarana YTB, omen’ny fanjakana tiorka, ary 17 hafa omen’ny sekoly Maarif. Ha­nainga eto Madagasikara rahampitso izy ireo. Manome fahafahana […]